TANDREMO SAO VOAFITAKA (AFA Feon'ny Fampiraisana F8(Anosibe))

1-Ambarako aminao f’io ady hatrehanao io
   Dia fitiavan’I Jesosy anao
   Andriamanitra anie dia tsy ampitondra
   Zay rehetra tsy ho zakanao
   Fa ny fitiavany anao dia fitiavana be
   Tena tiany ianao ka mba maneke
   Fafao ny tomany ka mahereza re
   Miandry anao fifaliam-be

Ref:
Maro ireo mahay fahagagana
Mitandrema sao voafitaka ianao
Tsy fahafahana ara-nofo
No namenjen’I Jesosy anao
Entitsika ny hazo fijaliana, hiaretany ny fahoriana
Finoana no andehano fa tsy fahitana
Tandremo saoTsiky dia ampy voafitak’i satana

2-Tsy vola na harena no nividianany anao
   Fa ny ràny no nalatsaka
   Vidindrany ianao koa aza mamohy fo
   Fa Jesosy momba anao
   Fa ny fitiavany anao dia fitiavana be
   Tena tiany ianao ka mba maneke
   Fafao ny tomany ka mahereza re
    Miandry anao fifaliam-be

Ref:
Maro ireo mahay fahagagana
Mitandrema sao voafitaka ianao
Tsy fahafahana ara-nofo
No namenjen’I Jesosy anao
Entitsika ny hazo fijaliana, hiaretany ny fahoriana
Finoana no andehano fa tsy fahitana
Tandremo sao voafitak’i satana

Mpihira : AFA Feon'ny Fampiraisana F8(Anosibe)
Mpamaky : 59
Mpakafy : 0 Ankafizo
Nampidirin'i : TBEA
Tamin'ny : 13/05/2022 20:52:39
ID : 14221

Tondrom-peo

Hampiditra tondrompeo