Mifona (AFA Feon'ny Fampiraisana F8(Anosibe))
(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
1-Tsapako Jesosy ô fa be ny otako'zay vitako mandifotra ny tenako
Matsiaro very anie izaho tsy mahita izay hatao
Tafalatsaka anaty aizina
Ref:
Mifona aho mivalo aminao ka mitaraina
Hamindrao fo (Tompo ô) ny heloko
Be siasia tsy mahita izay hatao
Vonjeo RAY ô, fa mitady Anao
2-Diovy aho Jesosy ô ho afak'eloka
Sy mba hadio ho tonga olom-baovao
Fa mijaly sy ketraka ny Fanahiko
Mila Anao Ray ô ity fiainako
Ref:
Mifona aho mivalo aminao ka mitaraina
Hamindrao fo (Tompo ô) ny heloko
Be siasia tsy mahita izay hatao
Vonjeo RAY ô, fa mitady Anao
--------
Rohy:
Momba ny hira
Mpihira : AFA Feon'ny Fampiraisana F8(Anosibe)Vangy : 481
Mpankafy : 2 Ankafizo
Nampiditra : TBEA
Daty : 12/05/2022 18:20