Asandratro (AFA F3 ( Anjomara Famonjena Anosibe Faritra fahatelo))

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
   1 – Asandratro ny hira ho Anao, ny feoko ho voninahitra
        Fa tsara Ianao Tompo o, lehibe tokoa ny famindram-pony Aminao
        Ny lotoko efa nodiovinao, ny heloko efa navelanao
        Nirahinao ho anay mba ho avotra, ny zanaka malalanao

                   Ref : Hidera Anao aho Ry mpanjakako
                            Hioby Anao aho, Ry mpanjakako
                            Fa notoloranao fitiavana
                            Ianao no lalana hahazoanay ny lanitra
                            Fiainana mandrakizay

    2 - Ny hoaviko, izay halehako, izay rehetra eto ami-fiainako
         Ianao no miaro ahy, ka tsy hatahotra aho, aminireo fahavaloko
         Ianao ihany no fiarovako, aroko sy andry hiankinako
         Raiso ny fiainako, ny finoako Anao,tsy hivadiko aminao Tompo o

** Asandratro **AFA F3 FLM Anosibe Fampiraisana (Anjomara famonjena Faraitra fahatelo)
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : AFA F3 ( Anjomara Famonjena Anosibe Faritra fahatelo)
Vangy : 16
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : Mharck
Daty : 28/04/2026 16:42
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0464