Hanina ny taniko (Zandry Gasy)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Manina fogma anao aho ry tany malala tsy bpjt foiko
‘Lay tany fiaviako any ambadiky ny tsy tazako
Ka ny embona injao mitambesatra anatin'ny foko
Tomany fa mahatsiaro anao 'lay tanindrazako.

Manina e,  mahatsiaro aho e
Ny anaranao eo am-bavako
Manina tononkira.serasera.org e, ka manembona e
Asandrato ho anao isan’andro ny tonom-bavako.

Raha ny alaheloko anao ‘zao no ho fongariko
Tsy  ampy hanoratako izany ny tononkirako
Fa ny aingam-panahy ao anatiko no ampakariko
Hanolotra hira ho anao ‘lay Gasikarako.

Manina e,  mahatsiaro aho e
Ny anaranao eo am-bavako
Manina e, ka manembona e
Asandrato xtilt ho anao isan’andro ny tonom-bavako.

--------
Link:
Add a comment
Please sign in
© serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0215