Soa fa teo Jesosy (VLM Itaosy)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Tao anatin'ny aizina aho nohazavainao
Tao an-davaka koa aho dia nampakarinao
Hoy Ianao hoe mitrakà,
F'Izaho tsy handao anao ry zanako
Raiso ny tanako
Hay teo foana Ianao Jesosy nitsilo ahy
Tsy mba nahalala izany aho hatramin'izay
Hay Ianao nitarika
ny lalana izay nodiaviko
Hatramin'ny taloha

Ref: Soa fa teo Ianao Jesosy nandray ny tanako
Tsy namela ahy ho irery, misaotra eram-po
Fa raha tsy Ianao namonjy ahy
Tsy mba toy izao aho
Ny fiainako am-pelatananao.

Koa manomboka anio aho dia ho Anao
Fo, saina, vatana, fanahy atolotro Anao
Fantatro fa Ianao ihany no azoko antoka hametrahako ny androm-piainako

Ref

Koa andao hiaraka ary hifampitantana
Hizotra hiakatra ka andeha ho any an-danitra
Jesosy ilay tokan'ny Ray, efa miandry ka andao
Manolo-tanana ho ahy sy ho anao
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : VLM Itaosy
Vangy : 921
Mpankafy : 1 Ankafizo
Nampiditra : kalotsiky
Daty : 20/07/2019 17:34
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1056