You are here: home > Tononkira > VLM Itaosy

Faingana (VLM Itaosy)

FAINGANA

1. 'Njany feo manakoako an-danitra any
Voron-kely marobe mba fantatrao anie
'Zay misioka anao anio reroy ka mba valio
Mba hiala amin'ireo fahazaran-dratsinao ankehitrio

Aza miandry ela ianao fa sao ho nenina
Fa ny Tompotsika anie efa mandondona re
Aza mierika intsony ianao rahavana รด
Fa_azonao 'lay lapa soa sy sarobidy hitoerana hatrizay

Fiv: MoaTsiky dia ampy mba efa nisy va? 'zany fitiavana
'Zay mba vokatry ny herim-ponao ho an'ilay Andriamanitra
Fa_Izy efa nanome teny mahafinaritra e
Toy ny loharano soa, madio tsy mety lo, mamelona ny fo

2. Dieny mbola misy ny ora hibebahana
Araraoty faingana e fa hery lehibe
Halaviro ao am-po 'reo zava-mampanahy
Mifalia, miravoa fa velona tokoa 'lay Kristy Tompo soa

Fiv: Moa mba efa nisy va .........

Hametraka hevitra

Midira aloha

Mpihira : VLM Itaosy
Mpamaky : 734
Mpakafy : 1 Ankafizo
Nampidirin'i : tahiry_izy
Tamin'ny : 30/06/2015 10:23:49
ID : 7562

Tondrom-peo

Hampiditra tondrompeo