You are here: home > Tononkira > VLM Itaosy

Fiainako Ianao (VLM Itaosy)

1Nandeha tamin'ny ditra aho
  Nanao izay ratsy teo imasonao
  Nefa Ianao tsy mba nandao
  Namelatra ny tananao
  Hanavotra ny zanakao
  Latsaka tanaty lavaka

Tompo ô ! Tsy mendrika aho na dia
Hiantso ny Anaranao
Nefa Ianao tsy avy hiantso ny marina
Fa ny mpanota hibebaka
Hifona sy handoalika

REF tononkira.serasera.org: Tompo ô ! Fantatrao ny amiko
      Ditrako anenenako avokoa
      Famindraponao no irin'ny fo
      Feno Anao, Feno Anao
      Ny androm-piainako

2 Ekeko fa dia sarotra
'Zany hoe ho tonga lafatra
  Nefa izaho mahatoky Anao
  Ry Ray mpitari-dalana
  Mpanoro sy mpananatra
  Miaraka amin'ny Fanahy

A/C : Mena Fitahiana Mickael

Mpihira : VLM Itaosy
Mpamaky : 1147
Mpakafy : 1 Ankafizo
Nampidirin'i : mialyh30
Tamin'ny : 04/05/2017 18:04:39
ID : 9452

Tondrom-peo

Hampiditra tondrompeo