You are here: home > Tononkira > VLM Itaosy

Hafatra (VLM Itaosy)

https://tononkira.serasera.org/hira/vlm-itaosy/hafatra

HAFATRA

1. Mamy ny tenin'I Jesoa Tompo
Ho antsika rehetra mpanompo
Nomeny mba hanazavana
Ireo fiainana sy ny any am-para
Endrey ny fitiavany koa
Lehibe tsy manam-paharoa
Ka_atolory ny fanahinao mba ho azy
fa tena ho sambatra ianao

Fiv: Midera anao izahay Andriamanitra รด
Fa feno hery vaovao avy aminao
Ka intononkira.serasera.orgdro raiso an-tananao
sy anjakao ho zanakao izahay
fa_efa vonona ny ho anao

2. Ho anao izay mbola mania
Mitsangana re ka mitodiha
Fa_efa tonga ilay fahazavana
Hanazava ny lalan-kombana
Koa ialao dieny izao ny asa ratsy
Izay mamandrika sy mahafaty
Itafio ny herin'Ilay Tsitoha izao
dia hivoaka mpandresy ianao

Fiv: Midera anao .........

Hametraka hevitra

Midira aloha

Mpihira : VLM Itaosy
Mpamaky : 889
Mpakafy : 2 Ankafizo
Nampidirin'i : tahiry_izy
Tamin'ny : 07/07/2015 14:37:45
ID : 7573

Tondrom-peo

Hampiditra tondrompeo