You are here: home > Tononkira > VLM Ampitankely

Asandratro (VLM Ampitankely)

1.Asandratro ny hira ho Anao Jehovah Ray
Asandratro ny dera ho Anao mandrakizay
Fa be fiantra Hianao, ny zanakao nafoinao
Ho fanavotana anay

Fiv: Amin’izao Noely fety mamy izao
No ahatsiarovanay ilay fitiavanao
Lay teny tonga nofo ka nidina tety
Jesosy no anarany

2.Tsiky dia ampyAsandratro ny hira ho Anao ry Lay Mesia
Asandratro ny dera ho Anao doria doria
Fa be fitia Hianao, ny ainao no nafoinao
Ho famonjena anay mpania

Fiv: Amin’izao Noely fety mamy izao
No ahatsiarovanay ilay fitiavanao
Lay teny tonga nofo ka nidina tety
Jesosy no anarany

A/C: RALAINIRINA Valitera

Mpihira : VLM Ampitankely
Mpamaky : 619
Mpakafy : 0 Ankafizo
Nampidirin'i : fansDiez
Tamin'ny : 05/01/2019 08:48:37
ID : 11224

Sokajy

Tondrom-peo

Hampiditra tondrompeo