You are here: home > Tononkira > VLM Ampitankely

Androany aho (VLM Ampitankely)

https://tononkira.serasera.org/hira/vlm-ampitankely/androany-aho-1

1.Androany aho dia hiova Jesosy ô
Fa tsy hisotro toaka intsony
(tsy hisotro toaka intsony)
Ny ditrako sy ny hadalako taloha
Dia hialako avokoa

Fiv: Izaho ilay zanaka adala (Jesosy ô)
Hiverina indray ao am-bala
Ento aho mba hanaraka Anao
Ovay mba ho olom-baovao Jesosy ô
Ka tsy ny sitrapoko intsony
No hibaiko ahy
Fa ny Ray ao ambony
tononkira.serasera.org
2.Androany aho dia hiova Jesosy ô
Fa tsy hifoka intsony
(na sigara na rongony)
Ny haratsiana rehetra hialako.
F’Ianao no hasandratro ambony.

Fiv: Izaho ilay zanaka adala (Jesosy ô)
Hiverina indray ao am-bala
Ento aho mba hanaraka Anao
Ovay mba ho olom-baovao Jesosy ô
Ka tsy ny sitrapoko intsony
No hibaiko ahy
Fa ny Ray ao ambony

A/C: RALAINIRINA Valitera

Hametraka hevitra

Midira aloha

Mpihira : VLM Ampitankely
Mpamaky : 186
Mpakafy : 0 Ankafizo
Nampidirin'i : fansDiez
Tamin'ny : 25/01/2019 15:33:55
ID : 11292

Tondrom-peo

Hampiditra tondrompeo