You are here: home > Tononkira > VLM Ampitankely

Antsoina (VLM Ampitankely)

https://tononkira.serasera.org/hira/vlm-ampitankely/antsoina-1

1.Maninona àry izato ianao
No toa mirenireny foana e?
Toa tsy mahita asa hatao
Fa midonanam-poana e
Jesosy anefa manana asa maro
anirahany anao
Hijinja sy hamory vokatra
ao an-tanimboliny ao

Fiv: Antsoina ianao e
Hiasa ao an-tanimboaloboka e
Fa be ny vokatra (zay tokony hojinjaina)
Fa ny mpiasa no vitsy e

2.Kristitononkira.serasera.organa tsotra hono
No anarana entinao e
Mivavaka Alahady fotsiny ihany
Dia ampy hoy ianao e
Tandremo anefa sao dia fandrika io
Izay velarin’ny satana
Fa ny finoana tsy arahin’asa
Dia zava-poana ihany

Fiv: Antsoina ianao e
Hiasa ao an-tanimboaloboka e
Fa be ny vokatra (zay tokony hojinjaina)
Fa ny mpiasa no vitsy e

A/C: RALAINIRINA Valitera

Hametraka hevitra

Midira aloha

Mpihira : VLM Ampitankely
Mpamaky : 202
Mpakafy : 0 Ankafizo
Nampidirin'i : fansDiez
Tamin'ny : 25/01/2019 15:33:46
ID : 11293

Tondrom-peo

Hampiditra tondrompeo