You are here: home > Tononkira > VLM Ampitankely

Ambany Elatrao (VLM Ampitankely)

https://tononkira.serasera.org/hira/vlm-ampitankely/ambany-elatrao-1

1.Ambany elatrao ry Ray
(ambany elatrao)
No tian’ny zanakao honenana
(no tiako honenana)
Hiaraka Aminao indray
(hiaraka Aminao)
No tarigetra ianteherana
(ianteherana)
Aza avela hangaihay
(aza avelanao)
Fa toa mahatsiaro ho sahirana
Ambany elatrao ry Ray no mety amiko ka
(ou ou ou ou)
Mba hijoro aho ho mirana

Fiv: (Endrey)V , mafy tokoa Jesô (L)
(Endrey)L , sarotra ny miaina ety(V)
Tsy ho vitan’ny heriko irery ry Jesosy ô
Ny hiaina lavitra Anao

2.Ny hamarinanao Jesô
(nyhamarinanao)
No lamba entiko isalorana
(lamba isalorana)
Ny teninao no sabatra
(ataoko sabatra)
Entiko hisedra itononkira.serasera.orgreo olana
(ireo olana)
Hamakivaky fiainana
(hisedra fiainana)
Izay tena sarotra sy mampanahy
Ny hamarinanao Jesô no lamba itafiko
(ou ou ou ou)
Amin’ny andro farany ho ahy.

Fiv: (Endrey)V , mafy tokoa Jesô (L)
(Endrey)L , sarotra ny miaina ety(V)
Tsy ho vitan’ny heriko irery ry Jesosy ô
Ny hiaina lavitra Anao

(Endrey)L , mafy tokoa Jesô (V)
(Endrey)V , sarotra ny miaina ety(L)
Tsy ho vitan’ny heriko irery ry Jesosy ô
Ny hiaina lavitra Anao

Tsy ho vitan’ny heriko irery ry Jesosy ô
Ny hiaina lavitra Anao

(Solo)
Tsy ho vitan’ny heriko irery ry Jesosy ô
Ny hiaina lavitra Anao

A/C: Ny Vatofantsika

Hametraka hevitra

Midira aloha

Mpihira : VLM Ampitankely
Mpamaky : 208
Mpakafy : 0 Ankafizo
Nampidirin'i : fansDiez
Tamin'ny : 25/01/2019 15:34:05
ID : 11291

Tondrom-peo

Hampiditra tondrompeo