ny fahasoavanao (Vetson'ikopa antoko mpihira)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
tsy hainay ny hangina, tsy hankalaza anao ry Ray
fifaliana no miloatra avy ao am-ponay
noho ireo fitahianao, fitantanao anay
ny fahasoavanao no naha-toy izao anay

fa tsisy tontosa ireo faniriana
raha tsy teo ianao nitantana anay
Andriamanitra ô misaotra anao
ka indro ny hira asandratray ho mari-piderana anao
ho anao irery ihany ny Haja sy Voninahitra

tretrika ny fonay Ray ô fa nandray ny Eokaristia
sambatra aho Ray ô fa notoloranao fitia
fitia tsy voafetra, ho an'izao tontolo izao
ny fahasoavanao no naha-toy izao anay

fa tsisy tontosa ireo faniriana
raha tsy teo ianao nitantana anay
Andriamanitra ô misaotra anao
ka indro ny hira asandratray ho mari-piderana anao
ho anao irery ihany ny Haja sy Voninahitra
(miverina in2)
...ny fahasoavanao no naha-toy izao anay
--------
Lien:
Ajouter un commentaire
Se connecter d'abord
A propos
Artiste : Vetson'ikopa antoko mpihira
Visites : 75
Préférés : 0 J'aime
Ajouté par : Xtella
Date : 26/01/2026 19:40
Audio

Audio non disponible

Ajouter
Tablature

Tablature non disponible

Ajouter
© serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0686