ny fahasoavanao (Vetson'ikopa antoko mpihira)
(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
tsy hainay ny hangina, tsy hankalaza anao ry Rayfifaliana no miloatra avy ao am-ponay
noho ireo fitahianao, fitantanao anay
ny fahasoavanao no naha-toy izao anay
fa tsisy tontosa ireo faniriana
raha tsy teo ianao nitantana anay
Andriamanitra ô misaotra anao
ka indro ny hira asandratray ho mari-piderana anao
ho anao irery ihany ny Haja sy Voninahitra
tretrika ny fonay Ray ô fa nandray ny Eokaristia
sambatra aho Ray ô fa notoloranao fitia
fitia tsy voafetra, ho an'izao tontolo izao
ny fahasoavanao no naha-toy izao anay
fa tsisy tontosa ireo faniriana
raha tsy teo ianao nitantana anay
Andriamanitra ô misaotra anao
ka indro ny hira asandratray ho mari-piderana anao
ho anao irery ihany ny Haja sy Voninahitra
(miverina in2)
...ny fahasoavanao no naha-toy izao anay
--------
Link:
Add a comment
Please sign inAbout this song
Artist : Vetson'ikopa antoko mpihiraHits : 76
Likes : 0 Like
Created by : Xtella
Date : 26/01/2026 19:40
