mendrika anao ry Tompo (Vetson'ikopa antoko mpihira)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Mendrika anao ry Tompo Andriamanitray ô
ny Voninahitra, ny Haja sy ny Hery

fa ianao no nahary ny zava-drehetra
tsy nisy ireny ka tonga nisy
noho ny sitraponao

Mendrika anao ry Tompo Andriamanitray ô
ny Voninahitra, ny Haja sy ny Hery

Mendrika anao ry Zanak'ondry ny handray ny boky
sy hamaha ny tomboka ao aminy

Mendrika anao ry Tompo Andriamanitray ô
ny Voninahitra, ny Haja sy ny Hery

fa voavono ianao , ka noho ny rànao
dia azonao ho an'Andriamanitra izahay

avy amin'ny foko sy ny fiteny
sy ny vahoaka amam-pirenen-drehetra
fa nataonao ho fanjakan'Andriamanitra
sy mpisorona hanjaka amin'ny tany

Mendrika anao ry Tompo Andriamanitray ô
ny Voninahitra, ny Haja sy ny Hery

eny,
mendrika ilay ...Zanak'ondry novonoina
ny handray ny hery
ny harena sy ny fahendrena
ny tanjaka omban-kaja
sy ny Voninahitra arahin-tsaotra

Mendrika anao ry Tompo Andriamanitray ô
ny Voninahitra, ny Haja sy ny Hery
ny Haja sy ny Hery
...
ny Haja sy ny Hery
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Vetson'ikopa antoko mpihira
Vangy : 17
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : Xtella
Daty : 24/02/2026 17:13
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.039