mendrika anao ry Tompo (Vetson'ikopa antoko mpihira)
(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Mendrika anao ry Tompo Andriamanitray ôny Voninahitra, ny Haja sy ny Hery
fa ianao no nahary ny zava-drehetra
tsy nisy ireny ka tonga nisy
noho ny sitraponao
Mendrika anao ry Tompo Andriamanitray ô
ny Voninahitra, ny Haja sy ny Hery
Mendrika anao ry Zanak'ondry ny handray ny boky
sy hamaha ny tomboka ao aminy
Mendrika anao ry Tompo Andriamanitray ô
ny Voninahitra, ny Haja sy ny Hery
fa voavono ianao , ka noho ny rànao
dia azonao ho an'Andriamanitra izahay
avy amin'ny foko sy ny fiteny
sy ny vahoaka amam-pirenen-drehetra
fa nataonao ho fanjakan'Andriamanitra
sy mpisorona hanjaka amin'ny tany
Mendrika anao ry Tompo Andriamanitray ô
ny Voninahitra, ny Haja sy ny Hery
eny,
mendrika ilay ...Zanak'ondry novonoina
ny handray ny hery
ny harena sy ny fahendrena
ny tanjaka omban-kaja
sy ny Voninahitra arahin-tsaotra
Mendrika anao ry Tompo Andriamanitray ô
ny Voninahitra, ny Haja sy ny Hery
ny Haja sy ny Hery
...
ny Haja sy ny Hery
--------
Link:
Add a comment
Please sign inAbout this song
Artist : Vetson'ikopa antoko mpihiraHits : 20
Likes : 0 Like
Created by : Xtella
Date : 24/02/2026 17:13
