Tsy handao anao aho fa ho namanao (Tvbroadcasting)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Maizina ny aleha
‘Zay ratsam-po tsisy hoatr’izao.
Tsy mba nampoizina fa mafy anie.
Mitomany sisa azo atao.
Jehovah anefa miahy
Izy lehibe noho ny foko
Raha izy no ialofako,tsisy hampanahy.
Tsy ho lavo aho,tsy mba hitoloko.

Tsy foiny izaho sy ianao
Na manan-talenta na hoe tsy mahay.
Raha misy mitalaho, ’ndao mba hanao hoatr’azy indray

Ref: Ianao eo foana tsy manary ahy ‘zany
Na dia hoe mangidy fa tsy hoe mamy ihany.
Ary ianao,rehefa sendra ankaso ,raha latsa-dranomaso,
dia ‘zaho tsy handao anao,fa ho namanao.

Ianao raha malahelo
reraka tsy misy antenaina.
Ireo ady mafy izay tsy tantinao
dia hiarahan-tsika zakaina.

Jehovah no hampitraka,
Hositraniny ianao ,hotsaboiny ireo fery.
‘Zaho koa ho sandrinao,hanome tanana,hampahery.

Ref: Ianao eo foana tsy manary ahy ‘zany
Na dia hoe mangidy fa tsy hoe mamy ihany.
Ary ianao,rehefa sendra ankaso ,raha latsa-dranomaso,
dia ‘zaho tsy handao anao,fa ho namanao.

Ianao eo foana tsy manary ahy ‘zany
Na dia hoe mangidy fa tsy hoe mamy ihany.
Ary ianao,rehefa sendra ankaso ,raha latsa-dranomaso,
dia ‘zaho tsy handao anao,fa ho namanao.

JWBroadcasting February 2019
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Tvbroadcasting
Vangy : 1452
Mpankafy : 1 Ankafizo
Nampiditra : raniNi1
Daty : 21/05/2019 09:12
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0721