You are here: home > Tononkira > Tvbroadcasting

Omeo Herim-po Aho (Tvbroadcasting)

https://tononkira.serasera.org/hira/tvbroadcasting/omeo-herim-po-aho

Inona àry no hiseho?.Matahotra aho, manahy.
Nefa tsapako eo akaiky eo Ianao mitantana ahy.
Mafy ny ady hosetraiko,mahery ireo hiadiako.
Nefa eo an-tananao ny aiko,
Ianao no itokiako.

ref: Jehovah, hatanjaho ny foko hatoky foana hoe:
      Na dia maro ireo fahavalo, ny momba ahy be dia be.
      Omeo herim-po aho,hijoro ka ho sahy.
      Mba omeo herim-po aho, f’Ianao no miady ho ahy.

Fantatro hoe malemy aho raha tsy eo Ianao hanampy.
Nefa ny alokao no miaro ahy: Ianao no Vatolampy.
Efa vonona aho ’zao handeha hisetra onja.
tononkira.serasera.orgZay mangeja ahy hovahanao,
na fasana io, na fonja.

ref: Jehovah, hatanjaho ny foko hatoky foana hoe:
       Na dia maro ireo fahavalo, ny momba ahy be dia be.
       Omeo herim-po aho,hijoro ka ho sahy.
       Mba omeo herim-po aho, f’ianao no miady ho ahy.
              
Jehovah, hatanjaho ny foko hatoky foana hoe:
Na dia maro ireo fahavalo, ny momba ahy be dia be.
Omeo herim-po aho,hijoro ka ho sahy.
Mba omeo herim-po aho, f’Ianao no miady ho ahy.

Mba omeo herim-po aho,
f’Ianao no miady ho ahy.
              
                   JW convention 2018

Hametraka hevitra

Midira aloha

Mpihira : Tvbroadcasting
Mpamaky : 68
Mpakafy : 1 Ankafizo
Nampidirin'i : raniNi1
Tamin'ny : 11/09/2019 11:01:57
ID : 12055

Sokajy

Tondrom-peo

Hampiditra tondrompeo