Mahavariana anay ny asanao (Tvbroadcasting)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
L: Miara-miaiky isika soa fa eo ilay Fanjakana.
Mampianatra ny marina ,mampita fahalalana.
“Ilay mpanompo” notendrena hikarakara antsika,
Eo koa ‘reo mpiandry tsara toetra, izay miahy fa tsy masiaka.

V:Mahafaly anay rehetra ireo fivoriambe.
Raha oharina amin’ny hatrizay,mihatsara be ange.
Dia mihofana izahay mba ho mpampianatra mahay
Satria eo ireo fivoriana manampy foana anay.

Ref : Mahavariana anay ny asan’ny Fanjakanao
Ka efa tsy handrinay
‘zay mbola hitranga ao amin’ny tontolo vaovao.
Mitombo ny finoanay satria nahalala Anao.

L: Ianao tena tianay ka manompo Anao ‘zahay.
Dia ilay fitiavana ao am-po tsy ho lefy mandrakizay.
Mpiara-miasa aminao sady omenao fiadanan-tsaina.
Hatoronao ‘zay mahasoa hoe “’zao no fomba fiaina”.

V: Ireo hira kosa mikalo izay mba ventsom-po
Ny fotoam-pivavahana indray mitondra soa.
Ary isika rehetra na dia samy hafa fihaviana
Dia miavaka ,mifankatia satria fianakaviana.

Ref : Mahavariana anay ny asan’ny Fanjakanao
Ka efa tsy handrinay
‘zay mbola hitranga ao amin’ny tontolo vaovao.
Mitombo ny finoanay satria nahalala Anao.


JWBroadcasting July2017
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Tvbroadcasting
Vangy : 478
Mpankafy : 1 Ankafizo
Nampiditra : raniNi1
Daty : 11/09/2019 11:04
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.2362