You are here: home > Tononkira > Tvbroadcasting

Andao hianatra fiteny hafa e! (Tvbroadcasting)

Mba azo atao tokoa ve raha manitatra ‘ndray?
Mivavaha aloha dia diniho ‘zay tanjona izay.
Ny mianatra fiteny ho vitanao fa ezaho.
Ho avo zato heny ‘zao fifalianao izao.
‘ndao ‘loha andramana ihany e, ‘zay fanahiana aleo any.
‘ndao mba andramana ny any e.
Tsy hanenenanao izany.
(oooo) Andramo àry e…
Andramo àry e,ny any Makedonia any.

Ho tianao ny fitoriana, mahazo mpianatra avy eo.
Vao mainka ianao variana re’fa  mandTsiky dia ampyroso izy ireo.
Ary ianao tsy mba ho irery, Jehovah ho namanao
Fa eo foana Izy hampahery, ka ho hainao ilay fiteny vaovao.
‘ndao mba andramana ihany e, ‘zay fanahiana aleo any.
Ho hitanao eny ihany e; fitahiana tsy ho lany.
Io ‘nie tsy manan-tsahala, aza misalasala.
(oooo) ‘ndao mba andramana ihany e.
Tsy hanenenanao izany
(oooo) Andramo àry e. Andramo àry e,
‘ndao mba andramana ny any e, ny any Makedonia any

                      JWBroadcasting May 2016

Hametraka hevitra

Midira aloha

Mpihira : Tvbroadcasting
Mpamaky : 63
Mpakafy : 1 Ankafizo
Nampidirin'i : raniNi1
Tamin'ny : 18/09/2019 17:50:35
ID : 12082

Sokajy

Tondrom-peo

Hampiditra tondrompeo