MAMOMAMOKELY (Tanjona Randrianarivelo)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Mamomamokely aho androany, f'aza omena tsiny
Satriko tokoa ny hanadino ireo tantara fahiny
Mitamberina an-tsaiko, maningotra ny aiko toy ny hoe
Ankehitriny, dia...
Mamomamokely aho androany, f'aza omena tsiny

Dia vitanao ny nambabo ahy, nanome toky fa tsy hanary
Nofitahinao ity foko dia navelanao tsy ho zarizary
Nomamoinao fijaliana sy alahelo aho tamin'iny dia...

Mahafanimpanina, mahavalalanina fa aoka mihitsy aloha
Fa mampakafoka toa hafahafa, mahavaky fo
Raha ny lainga nasesikao moa efa impiry?
Noho izany dia...
Mamomamokely aho androany, f'aza omena tsiny

Dia vitanao ny nambabo ahy, nanome toky fa tsy hanary
Nofitahinao ity foko dia navelanao tsy ho zarizary
Nomamoinao fijaliana sy alahelo aho tamin'iny dia...
Mamomamokely aho androany, f'aza omena tsiny

Dia vitanao ny nambabo ahy, nanome toky fa tsy hanary
Nofitahinao ity foko dia navelanao tsy ho zarizary
Nomamoinao fijaliana sy alahelo aho tamin'iny dia...
Mamomamokely aho androany, f'aza omena tsiny
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Tanjona Randrianarivelo
Vangy : 69
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : Ando Hariliva
Daty : 12/07/2024 12:19
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1524