Safidy (Tanjona Randrianarivelo)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Raha mafy ny adiko, dia ianao teo foana,
Fa tsy niala na nisitaka tsy hita
Ka androany havaoziko manoloana anao,
Fa raha ny safidiko efa ela no efa vita.

Tsy mila eritreretina f’efa ianao,
No nampiposaka ny masoandroko indray
Ka Sahiko milaza fa ianao ilay silam-panahy
Nandrasako ela be, voatokana ho ahy

Nisafidy ny foko, dia ianao no nofinidiny
Dia nanaiky ny saiko f’ianao no nandamina azy
Foana hatreo ireo toloko satria ianao anie tena tiany
Tena tian’ny foko mazava ho azy

Dia aza manahy ianao f’izaho anie tsy hivadika,
Na hisy fisedrana, na hisy ny ankaso,
Na hisy adin-tsaina dia ‘zah eo foana hanatrika,
Dia ho fafako ny ranomaso.

Be ireo mpanakota, be ireo mpanaratsy,
Milaza an-kolaka fa tsika tsy ho lasa lavitra,
Kanefa tsy fantany f’isika tsy irery,
Fa manana Ny Ray izay any an-danitra

Nisafidy ny foko, dia ianao no nofinidiny
Dia nanaiky ny saiko f’ianao no nandamina azy
Foana hatreo ireo toloko satria ianao anie tena tiany
Tena tian’ny foko mazava ho azy

Dia aza manahy ianao f’izaho anie tsy hivadika,
Na hisy fisedrana, na hisy ny ankaso,
Na hisy adin-tsaina dia ‘zah eo foana hanatrika,
Dia ho fafako ny ranomaso.

Feno loatra ny fo ka tsy hoitako ho hazavaina,
Ilay fihetseham-po anatiko tsy tambo isaina,
Satria feno hasambarana fa misy anao,
Ary mino aho f’ianao koa tsy handao

(Vehivavy)
Nisafidy ny foko, dia ianao no nofinidiny
Dia nanaiky ny saiko f’ianao no nandamina azy
Foana hatreo ireo toloko satria ianao anie tena tiany
Tena tian’ny foko mazava ho azy

(Lehilahy)
Dia aza manahy ianao f’izaho anie tsy hivadika,
Na hisy fisedrana, na hisy ny ankaso,
Na hisy adin-tsaina dia ‘zah eo foana hanatrika,
Dia ho fafako ny ranomaso.

Na hisy fisedrana, na hisy ny ankaso.
--------
Rohy:
Hevitra
hery ( 22/07/2023 11:12)
Mpanakanto vaovao amiko kosa ity
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Tanjona Randrianarivelo
Vangy : 2279
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : MarinahRakotoson
Daty : 21/07/2023 22:17
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0132