Ho andefimandriko (Tanjona Randrianarivelo)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Tara-pahazavana,
tsy haiko rarana ilay fisianao avy lavitra miadam-pamindra fa sarobidy ho ahy
Toa manome hafanana,
Toa tononkalo voakaly sy tsara rindra, tsy foiko afindra ilay fitiavako anao

Mandoro ato anatiko, ka hila tsy ho tantiko,
lay fitiavako anao izay anatiko ao
tiako ho ren'izao tontolo izao
Ho andefimandriko mandritra ny androko
Ianao tsy ho atakalo ianao ilay tsy fanary
Fa tena babonao aho.

Na ora vitsy monja aza no hiarahako aminao
Ho araraotiko satria ny fitiavanao tsy mba roa aman-tany,
Mety hisy ny loza,
Fa tsy ataoko hahasakana satria mamy loatra ny fitia sy ny hafaliana izay asehonao ahy.

Mandoro ato anatiko, ka hila tsy ho tantiko,
lay fitiavako anao 'zay ao anatiko tiako ho ren'izao tontolo izao,
Ho andefimandriko, mandritra ny androko
Ianao tsy ho atakalo ianao ilay tsy fanary, fa tena babonao aho.
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Tanjona Randrianarivelo
Vangy : 482
Mpankafy : 1 Ankafizo
Nampiditra : tsirifara
Daty : 11/09/2023 14:11
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.2563