Sambatra (Tanjona Randrianarivelo)
(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Somary menatra ihany aho tany am-boalohany,Ny hamboraka aminao izay avy ao am-po,
Kanefa mavaivay mila tsy ho zakako,
K'aleo lazaiko ihany sao hanenenako.
Hoe hatr'izay tsy mba nahatsapa ohatr'izany,
Hoe tsy mahajery olon-kafa hafa tsy ianao ireo ihany,
Raha ianao angamba no anjarako, za no sambatra indrindra eto an-tany.
Efa nitia ihany moa 'za tany aloha,
F'izay notiavina toa nandratra avokoa,
Dia nisy fotoana nandratra ihany koa,
Fa raha ianao kosa aloha ho kolokoloiko,
Mandrevirevy anao foana aho alohan'ny hatory,
Nefa ny fisiako aza toa hainao akory,
Ka izay indrindra no antony ilazako izao,
Hoe malala ah? Tena tiako ianao
Hoe hatr'izay tsy mba nahatsapa ohatr'izany,
Hoe tsy mahajery olon-kafa hafa tsy ianao ireo ihany,
Raha ianao angamba no anjarako, za no sambatra indrindra eto an-tany
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira alohaMomba ny hira
Mpihira : Tanjona RandrianariveloVangy : 98
Mpankafy : 1 Ankafizo
Nampiditra : Natolotrniavo
Daty : 29/10/2024 01:50