VAVAKA (STK FJKM Ambatomena Antananarivo)

https://tononkira.serasera.org/hira/stk-ambatomena-antananarivo/vavaka

Henoy re ry Tompo ô
Izato fitarainako
(He) tany mangetana mahalao
No iainako ety izao (Jeso)
Ho any amin'iza moa zahay
(Fa) toa tapin-dalan-kaleha
Nefa matoky Anao zahay
Kristy Mpamonjy ô ! jereo

Atopatopan'ny onjabe
'Ty sambokelinay ity
(Ka)nefa matoky ny herinao
Mitantana anay ety (JTsiky dia ampyeso)
Raha toa ka mila ho potraka
(Satria) resin'ny fakam-panahy
Aza mandao ny mpanomponao
Kristy Mpamonjy ô ! jereo

Ny holatry ny tananao
No famonjena ho anay
Nanaiky hitondra ny fahotako
Nanetry tena be Ianao Jeso
Nandao ny voninahiny
(Mba) hitondra ny famonjena
Hanafaka ny voafatotra
Kristy Mpamonjy ô ! jereo

Hametraka hevitra

Midira aloha

Mpihira : STK FJKM Ambatomena Antananarivo
Mpamaky : 91
Mpakafy : 0 Ankafizo
Nampidirin'i : Jockl
Tamin'ny : 03/02/2020 18:14:53
ID : 12533

Tondrom-peo

Hampiditra tondrompeo