TSY VOAVALY (STK FJKM Ambatomena Antananarivo)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Tsy voavaly re olona e! ny fitiavan’Andriamanitra
Lehibe ka tsy hay fa izao no mba azo atao
Ankatoavy ny didiny dia ny mba hifankatiavana
Tahaka izay efa nitiavany ny mpianany
Lehibe ny fitiavany ka nafoiny ny Zanany
Maty nisolovoina Izy nefa resiny ny fahafatesana
Tamin’andro fahatelo dia nivoha ny varavarana
Vita tokoa ny fanavotana
Ankatoavy ny didiny dia ny mba hifankatiavana
Tahaka izay efa nitiavany ny mpianany

Tsy voatana ny Tompo, tsy voatana tao am-pasana
Ary koa tsy mba lo ary izao no mba hafany
Ankatoavy ny didiny dia ny mba hifankatiavana
Tahaka izay efa nitiavany ny mpianany
Zany no ahafantarana izay mino Azy marina
Raha mifankatia tokoa tsy miova fa mifanasoa
Ary nahafoy ny ainy hamonjena ny sakaizany
Zany no fifankatiavana hafatr’iray no napetrany
Ankatoavy ny didiny dia ny mba hifankatiavana
Tahaka izay efa nitiavany ny mpianany
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : STK FJKM Ambatomena Antananarivo
Vangy : 817
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : Jockl
Daty : 03/02/2020 19:14
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.6675