TIAVO, HAJAO (STK FJKM Ambatomena Antananarivo)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Efa mahantra an-tany ianao
No mbola tsy andova ny lanitra ve?
Tsy an-tany, tsy an-danitra hatramin’izao
Minia tsy manaja an’Andriamanitra re!
Aza atao hoe tsy mba tian’Andriamanitra ianao satria ambany
Ianao eny, ianao no anton’izany
Sitrkao ny hotahiany nefa lavinao izay mba handidiany
Koa tiavo, hajao ny Tomponao

Efa mpanjakan’ ny tany ianao
Ka tsy mila izay lova any an-danitra ve?
Matoky fa manankery tsy mandao
Minia tsy manaja an’Andriamanitra re!
Mba tsarovy fa vahiny mbola hody sady hotsaraina ianao
Na tsara eny na ratsy izay natao
Raha sitrakao ny handova, aza lavinao izay mmba handidiany
Koa tiavo, hajao ny Tomponao

Aza sondriana mibanjina tany
Fa tsy mahasoa ny tsy homban’i Jesoa
Ny eto anie fandalovana ihany
Tsy mety mateza fa tsy maintsy ho lo
Fa katsaho aloha ny fanjakan’Andriamanitra
Izay no teny hanampy anao e! ny zava-drehatra
Na talenta na fahaizana na aina mora fongana ireny
Jesoa aina, fahaizana, haren-tsy voafetra
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : STK FJKM Ambatomena Antananarivo
Vangy : 542
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : Jockl
Daty : 03/02/2020 19:14
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.078