TANANA KELY (STK FJKM Ambatomena Antananarivo)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Tanana kely iray, Tompo masina o, no voafidinao
Ilay tanàna ahatongavanao hanavotanao Izao tontolo izao
Lay tanan’efa resy tory,
Tsy mba nihevitra anao akory
Nefa ianao indro fa nankao mba hitondra famonjena
Tao Betlehema tao,
Tompo masina o
No voafidinao

Tanana kely iray Tompo masina o no voafidinao
Ilay tanàna ahatongavanao hanavotanao Izao tontolo izao
Lay tanan’efa resy tory,
Tsy mba nihevitra anao akory
Nefa ianao indro fa nankao mba hitondra famonjena
Tao Betlehema tao,
Tompo masina o
No voafidinao

Mifohaza ianao mba handray ny Tompo,
Betlehema kely o
Fa voninahitrao izao
Ka na bitika sy kely aza ianao, dia mifalia
Fa efa nofidiany mba handray ilay Mesia
Fa efa nofidiana mba handray ilay Mesia

Tanana Masina o! Aza sondrian-tory
Fa indro ny famonjena mirotsaka ao aminao
Ry Betlehema Kely , Ry Betlehema Kely
O mifohaza ianao , mba handray ny Tomponao
Ka aza sondrian-tory intsony re, hatramin’izao
Betlehema , Betlehema
Tonga ilay Mesia mpanavotr’anao
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : STK FJKM Ambatomena Antananarivo
Vangy : 600
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : Jockl
Daty : 03/02/2020 19:14
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0721