RY ZIONA (STK FJKM Ambatomena Antananarivo)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Ny hiranao aoka hanako ry Ziona ô !
Fa terak'ao ny Tomponao
Ny antemanao ry tanana 'zay maminay
Hanenika izao tany izao

Ry Ziona ô !
Lazao fa efa terak'ao
Imanoela Mpanjakanao
Ny lanitra sy ny tany
Dia ho faly hiarak'aminao
Ry Zionanay ô !
Ny antemanao ry tanana 'zay maminay
Hanenika izao tany izao


Edena simba efa havaozina aminao
Aingao anio ny hiranao
Ny fifalianay anie ho mandrakizay
Fiadanana ao anatinay

Ry Ziona ô !
Lazao fa efa terak'ao
Imanoela Mpanjakanao
Ny lanitra sy ny tany
Dia ho faly hiarak'aminao
Ry Zionanay ô !
Ny fifalianay anie ho mandrakizay
Fiadanana ao anatinay



Ry Ziona ô
Lazao fa efa terak'ao
Imanoela Mpanjakanao
Ny lanitra sy ny tany
Dia ho faly hiarak'aminao
Ry Zionanay ô !
Ny fifalianay anie ho mandrakizay
Fiadanana ao anatinay
--------
Link:
Add a comment
Please sign in
© serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.1688