NY DINITRY NY TOMPO (STK FJKM Ambatomena Antananarivo)

https://tononkira.serasera.org/hira/stk-ambatomena-antananarivo/ny-dinitry-ny-tompo

Ny dinitry ny Tompo raha nipotraka
Dia fanekeny izay tinendrin-dRainy
Ny varavaran-danitra nisokatra
Nosantatry ny fiainana zarainy

Ny mangidy notsakoiny
Hozakainy samy irery
Hatramin’ny ainy no nafoiny
Hamonjeny olom-bery
Ny hetraketraky ny tany
No naningotra ny ainy
Ny olo-bery nozahany satria lalainy

Ilay kapoaka nahitany ngidiny
No zary fifaliana ho antsika
Ny ngidy izay nateliny tsy fidiny
No tonga ranon’aina mibotsiaka

Ny mangidy notononkira.serasera.orgtsakoiny
Hozakainy samy irery
Hatramin’ny ainy no nafoiny
Hamonjeny olom-bery
Ny hetraketraky ny tany
No naningotra ny ainy
Ny olo-bery nozahany satria lalainy

Ny dinitry ny Tompo zay nipotraka
No namonjena antsika ondry very
Nogeazan’ ota hana sy efa trotraka
He vohavaha ny gadra izay nanery

Ny mangidy notsakoiny
Hozakainy samy irery
Hatramin’ny ainy no nafoiny
Hamonjeny olom-bery
Ny hetraketraky ny tany
No naningotra ny ainy
Ny olo-bery nozahany satria lalainy

Hametraka hevitra

Midira aloha

Mpihira : STK FJKM Ambatomena Antananarivo
Mpamaky : 11
Mpakafy : 0 Ankafizo
Nampidirin'i : Jockl
Tamin'ny : 01/02/2020 08:41:37
ID : 12498

Tondrom-peo

Hampiditra tondrompeo