NY DINITRY NY TOMPO (STK FJKM Ambatomena Antananarivo)
(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Ny dinitry ny Tompo raha nipotrakaDia fanekeny izay tinendrin-dRainy
Ny varavaran-danitra nisokatra
Nosantatry ny fiainana zarainy
Ny mangidy notsakoiny
Hozakainy samy irery
Hatramin’ny ainy no nafoiny
Hamonjeny olom-bery
Ny hetraketraky ny tany
No naningotra ny ainy
Ny olo-bery nozahany satria lalainy
Ilay kapoaka nahitany ngidiny
No zary fifaliana ho antsika
Ny ngidy izay nateliny tsy fidiny
No tonga ranon’aina mibotsiaka
Ny mangidy notsakoiny
Hozakainy samy irery
Hatramin’ny ainy no nafoiny
Hamonjeny olom-bery
Ny hetraketraky ny tany
No naningotra ny ainy
Ny olo-bery nozahany satria lalainy
Ny dinitry ny Tompo zay nipotraka
No namonjena antsika ondry very
Nogeazan’ ota hana sy efa trotraka
He vohavaha ny gadra izay nanery
Ny mangidy notsakoiny
Hozakainy samy irery
Hatramin’ny ainy no nafoiny
Hamonjeny olom-bery
Ny hetraketraky ny tany
No naningotra ny ainy
Ny olo-bery nozahany satria lalainy
--------
Link:
Add a comment
Please sign inAbout this song
Artist : STK FJKM Ambatomena AntananarivoHits : 594
Likes : 0 Like
Created by : Jockl
Date : 01/02/2020 08:41