NY ANTSONAO (STK FJKM Ambatomena Antananarivo)

https://tononkira.serasera.org/hira/stk-ambatomena-antananarivo/ny-antsonao

Ray ô ! tsaroako ny hadisoako
Ray ô ! Nataoko teo imasonao
Ny adalana 'zay tsy foiko
Nandavako ny antsonao

Manomboka ankehitriny
Ny foko omeko Anao
Sasao madio tsy hisy tsiny
Ho mendrika Anao
Ny androko sisa rehetra
Apetononkira.serasera.orgtrako an-tananao

Ny androko sisa manontolo
Ray ô ! Dia hanompoako Anao
Tsy avelako ho bobongolo
Ho valin'ny antsonao

Manomboka ankehitriny
Ny foko omeko Anao
Sasao madio tsy hisy tsiny
Ho mendrika Anao
Ny androko sisa rehetra
Apetrako an-tananao

Hametraka hevitra

Midira aloha

Mpihira : STK FJKM Ambatomena Antananarivo
Mpamaky : 8
Mpakafy : 0 Ankafizo
Nampidirin'i : Jockl
Tamin'ny : 01/02/2020 08:41:34
ID : 12496

Tondrom-peo

Hampiditra tondrompeo