MPANDRESY IANAO (STK FJKM Ambatomena Antananarivo)

https://tononkira.serasera.org/hira/stk-ambatomena-antananarivo/mpandresy-ianao

Fa ny Tompo tia dia mampanantena fandresena
Izay manara-dia Azy ka mijoro tsy mivena
Mpandresy ianao raha toa maharitra
Mizotra amin’ny fiainan-danitra
Fa ny Tompo tia dia mampanantena fandresena
Izay manara-dia Azy ka mijoro tsy mivena

Mpandresy no iantsoana anao mpanara-dia
Sy mpiara-dàlana amin’I Jesoa Tompo tia
Satria dia Izy mihitsy no nampanantena
Fa hatolony sy homeny anao ny fandresena

Mpandresy no anarana isaloranaotononkira.serasera.org
Ry mpino an’Andriamanitra, ry olom-baovao
Tsy andevon’ota intsony fa olona madio
Tena mpandresy ianao ka mifalia anio

Fa Jesoa tena tia mbola mampanantena
Anao hatrany hatrany mba hahazo fandresena
Fa tena mila anao mijoro tsy mirona
Miorim-paka tsara manana Finoana

Mpandresy ianao raha toa maharitra
Mizotra amin’ny fiainan-danitra
Fa ny Tompo tia dia mampanantena fandresena
Izay manara-dia Azy ka mijoro tsy mivena

Mpandresy ianao raha toa maharitra
Mizotra amin’ny fiainan-danitra
Fa ny Tompo tia dia mampanantena fandresena
Izay manara-dia Azy ka mijoro tsy mivena

Mpandresy ianao raha toa maharitra
Mizotra amin’ny fiainan-danitra
Fa ny Tompo tia dia mampanantena fandresena
Izay manara-dia Azy ka mijoro tsy mivena
Izay manara-dia Azy ka mijoro tsy mivena

Hametraka hevitra

Midira aloha

Mpihira : STK FJKM Ambatomena Antananarivo
Mpamaky : 22
Mpakafy : 0 Ankafizo
Nampidirin'i : Jockl
Tamin'ny : 01/02/2020 08:41:30
ID : 12491

Tondrom-peo

Hampiditra tondrompeo