MPANDRESY IANAO (STK FJKM Ambatomena Antananarivo)
(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Fa ny Tompo tia dia mampanantena fandresenaIzay manara-dia Azy ka mijoro tsy mivena
Mpandresy ianao raha toa maharitra
Mizotra amin’ny fiainan-danitra
Fa ny Tompo tia dia mampanantena fandresena
Izay manara-dia Azy ka mijoro tsy mivena
Mpandresy no iantsoana anao mpanara-dia
Sy mpiara-dàlana amin’I Jesoa Tompo tia
Satria dia Izy mihitsy no nampanantena
Fa hatolony sy homeny anao ny fandresena

Mpandresy no anarana isaloranao
Ry mpino an’Andriamanitra, ry olom-baovao
Tsy andevon’ota intsony fa olona madio
Tena mpandresy ianao ka mifalia anio
Fa Jesoa tena tia mbola mampanantena
Anao hatrany hatrany mba hahazo fandresena
Fa tena mila anao mijoro tsy mirona
Miorim-paka tsara manana Finoana
Mpandresy ianao raha toa maharitra
Mizotra amin’ny fiainan-danitra
Fa ny Tompo tia dia mampanantena fandresena
Izay manara-dia Azy ka mijoro tsy mivena
Mpandresy ianao raha toa maharitra
Mizotra amin’ny fiainan-danitra
Fa ny Tompo tia dia mampanantena fandresena
Izay manara-dia Azy ka mijoro tsy mivena
Mpandresy ianao raha toa maharitra
Mizotra amin’ny fiainan-danitra
Fa ny Tompo tia dia mampanantena fandresena
Izay manara-dia Azy ka mijoro tsy mivena
Izay manara-dia Azy ka mijoro tsy mivena
--------
Link:
Add a comment
Please sign inAbout this song
Artist : STK FJKM Ambatomena AntananarivoHits : 709
Likes : 0 Like
Created by : Jockl
Date : 01/02/2020 08:41