Ô ASANDRATO AVO RE (STK FJKM Ambatomena Antananarivo)

https://tononkira.serasera.org/hira/stk-ambatomena-antananarivo/-asandrato-avo-re

Ô Asandrato avo re
Ny hira fihobiana
Fa tratr'izao Jaobily izao
Ka feno fifaliana
Ô mifalia mankalazà
Misaora Azy miderà
Fa Andriamanitra tsitoha
Nikolo nanasoa

Nijoro taona matononkira.serasera.orgro
Ny fikambanantsika
Jesosy no mpiaro
Ka tsy mba nangatsiaka

Nandalo fifaliana
Nisedra fitsapana
Fa Jeso nampangina
Ka resy 'lay satana

Koa mitsangana izao
Vitao ny asanao
Torio famonjena
Izao tontolo izao

Hametraka hevitra

Midira aloha

Mpihira : STK FJKM Ambatomena Antananarivo
Mpamaky : 82
Mpakafy : 0 Ankafizo
Nampidirin'i : Jockl
Tamin'ny : 28/01/2020 18:17:55
ID : 12449

Tondrom-peo

Hampiditra tondrompeo