Satriko (SAMIFI FJKM AMBODIFASINA PENIELA FITAHIANA)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
mba satriko Jesoa raha izao tontolo izao
hiray saina ao aminao
ary fifaliana ho ahy tokoa
raha ireo namako
hody indray ao aminao

fa satrinao izao tontolo izao
tsy ho lavitra fa ho eo anilanao
ka raha misy iray miova fo
ety an-tany
dia fifalian-dehibe
any an-danitra any

mba satriko eny satriko
raha ny firenenay
hiombom-peo
hiray aina fo fanahy
faniriako koa Tompo androany
eto anatrehanao
ny taninay ho tonga vaovao

fa satrinao izao tontolo izao...

izany tompo o ny vavakay
ka ny saotra anie
ho anao mandrakizay
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
© serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0848