Ny eto sy ny any (Rbrl)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Mahagaga ve izao zava-mitranga izao
Ny hasarotam-piainana miseho
Ny sakaiza mandao
Dia lazaiko anao fa efa voasoratra izany
Ny afaka hampitraka anao
Dia Jesosy ihany

Fa raha ny fiainana dia tsy maintsy miha ratsy hatrany
Fa raha ny eto an-tany dia tsy azo hanankinam-po
Fa miha potika sy lo

Zay atao rehetra dia ataovy am-pifaliana
Aza miandry valisoa na koa fankasitrahana
Dia katsaho ny fahamarinana sy ny fanjakany
Dia hanampy anao zany rehetra izany

Fa raha ny fiainana...
Fa any an-danitra any dia hafaliana hatrany2
Ka ny sento sy tomany dia ho foana avokoa, tsy hisy intsony
Ary ilay Ray ambony dia azo hanakinam-po
Hanome anao ny soa

A/C : Fitiavana Rbrl
--------
Rohy: https://tononkira.serasera.org/hira/rbrl/ny-eto-sy-ny-any
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Rbrl
Vangy : 115
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : Fitiavana_Rbrl
Daty : 03/12/2022 12:11
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2023 - page load 0.0467