Eo Lay Ray (Rbrl)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Mety ho mafy ny manjo
Angamba koa tsy zaka
Fa tsarovy hoe eo lay Ray
Mety hisedra ady mafy
Fitsapana toa tsy tanty
Fa tsarovy hoe eo lay Ray
Na tsy hitanao mivantana aza Andrimanitra dia tadidio fa eo Izy
Tsy lavitra, fa akaikinao, anilanao

Refrain:
Mandehana amim-pinoana
Na inona na inona miseho
Mety ho kivy ianao indraindray
Tsarovy fa mbola eo lay Ray
Na inona na inona hifanesy
Dia tiany ianao hivoaka mpandresy
Ka miharena dia tohizo ny lalanao
Miandry anao ny fandresena
Mbola eo lay Rainao

Mety hisy fahoriana zay avelany hitranga
Fa tsarovy hoe eo lay Ray
Fisarahana aman'aina zay mampitomany
Fa tsarovy hoe eo lay Ray
Na tsy henonao mivantana aza Andriamanitra ia tadidio fa eo Izy
Tsy lavitra, fa mihaino anao amin'izao

A/C: Rizia Rbrl
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Rbrl
Vangy : 420
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : Fitiavana_Rbrl
Daty : 13/12/2022 18:18
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0725