Mifona (Rbrl)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Tany amin'izao tontolo izao
No nitady fahasambarana
Tany amin'ny ratsy hatrany no nandehanana
Nanadino Anao, jamba ny ota natao
Fa maniry kosa izao ny ho tantananao

Mifona e, mifona aho Jesosy o
Ampio e, fa sarotra ny lalana
Tsy hiankina amin-javatra hafa intsony ny foko
Fa Ianao irery ihany no tiako

Manantena aho anio 'lay sandrim-pitiavana
Hampijoro, hampitraka, hiazona, hitantana
Tsy hanadino Ianao ary tsy handao
Fa omenao toky aho fa ho tantananao

Misaotra e, misaotra Jesosy o
Mahatoky e, fa Ianao hitari-dalana
Tsy hiankina amin-javatra hafa intsony ny foko
Fa Ianao irery ihany no tiako

F'ity no hafatra
Tsy maintsy hiandry loza ve vao hibebaka?
Sao dia tara loatra ka andao re ry namako
Dieny izao hanomana ny dia

Koa androany henoy ny tononkira
Miantso hoe aza variana
Aok'izay ny fahotana
Ndao resena sy hialana
Aoka izay fa aza mihanahana
Tsy tianao ve ny ho any Kanana?

A/C: Fitiavana Rbrl
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Rbrl
Vangy : 330
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : Fitiavana_Rbrl
Daty : 13/12/2022 18:11
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0732