SOA IHANY (RANTSANA FANANTENANA BEMASOANDRO ITAOSY)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
1. Soa ihany fa ao ilay Ray Tsitoha
Mitsinjo ireo izay reraka ao am-po
Ireo rehetra voton-dranomaso
Sy izay azom-pahoriana

REF:
Ampaherezo izahay
Ry Tompo Rainay be indrafo
Fa toy ny voninkazo eny an-tsaha
Mihintsana ka ho lo

2. Fa maro ireo tanora no mandeha
Mizotra ao anaty aizim-be
Ny hazavana izay nampitondrana
Mitady ho fatin'ny filàna

3. Todio anie ny manodidina
Sy ny fanenjehan'ny mpitazana
Fa tsy mba misy azo antenaina
Maro koa no mitaraina

A/C: RAKOTONDRASOA Josoa Edmond
By Sandy RANDRIANAIVO
--------
Rohy:
Hevitra
Sandosantos ( 22/05/2023 13:00)
SVM RF Bemasoandro Itaosy
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : RANTSANA FANANTENANA BEMASOANDRO ITAOSY
Vangy : 180
Mpankafy : 1 Ankafizo
Nampiditra : Sandosantos
Daty : 22/05/2023 12:59
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0817