SOA IHANY (Rantsana Fanantenana Bemasoandro Itaosy)
(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
1. Soa ihany fa ao ilay Ray TsitohaMitsinjo ireo izay reraka ao am-po
Ireo rehetra voton-dranomaso
Sy izay azom-pahoriana
REF:
Ampaherezo izahay
Ry Tompo Rainay be indrafo
Fa toy ny voninkazo eny an-tsaha
Mihintsana ka ho lo
2. Fa maro ireo tanora no mandeha
Mizotra ao anaty aizim-be
Ny hazavana izay nampitondrana
Mitady ho fatin'ny filàna
3. Todio anie ny manodidina
Sy ny fanenjehan'ny mpitazana
Fa tsy mba misy azo antenaina
Maro koa no mitaraina
A/C: RAKOTONDRASOA Josoa Edmond
By Sandy RANDRIANAIVO
--------
Link:
About this song
Artist : Rantsana Fanantenana Bemasoandro ItaosyHits : 305
Likes : 1 Like
Created by : Sandosantos
Date : 22/05/2023 12:59