MITADIAVA AN'I JEHOVAH (Ny ANTSAN'NY FAMONJENA)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Tiako hozaraina
Tiako hotantaraina
Tiako horesahana sy hotoriana aminao e !
Fa tsara e! Tsara e !
Andriamanitra

Efa fantatrao,
Efa henonao,
Nefa mbola tiako haverimberina aminao indray
Fa tsara e! Tsara e
Jehavah !!!

Fa tsara Izy e! tsara Izy e!

Mitadiava an'i Jehovah,
Dieny mbola akaiky Izy e!
Dieny mbola hita Izy e
Dia miantsoa ny anarany
Miantsoa an' i Jehovah

Fa malemy fanahy sy tsy miavona am-po
Izy ilay mpanome fitsaharana koa
Andriamanitro Izy e!
Ilay mpamela heloka, mpamaly vavaka,
hanasitra ahy, mpanome fitahiana, miaro ny aiko tsy ho any an-davaka e!
Andrimanitro Izy e!

Raha misy ny manjo, raha tojo fahoriana
Aza miandry ela na varimbariana,
Fa miantsoa ny anarany e!

Aza afenina azy izay aretinao
raha manalavitra azy ho very anie ianao
Miantsoa ny anarany e!

Fa raha mino ianao dia ho hitanao ny voninahiny

Raha misy mampifaly feno fitsikiana
ny vavakao nivaly, feno fitahiana
dia miantsoa ny anarany e!

Mandritra ny tontolon'ny androm-piainanao
manaova fiderana, fihiram-baovao
Miantsoa ny anarany e!

Mihaino ny vavakao anie Jehovah, marina izany e
Tena marina izany e! ho an'izay miantso ny anarany e!
Mamaly ny vavakao anie Jehovah, marina izany e!
Tena marina izany e Izay mahatoky ny anarany e

Mitadiava an'i Jehovah!
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Ny ANTSAN'NY FAMONJENA
Vangy : 503
Mpankafy : 1 Ankafizo
Nampiditra : nyantsanfa
Daty : 01/06/2021 17:03
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.2658