ANTSO (Ny ANTSAN'NY FAMONJENA)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Injany misy feo miantso mafy avy any an' efitra e
Amboary e! amboary e! ny lalan'i Jehovah
Moa tsy renao ve ny antso mafy avy any an' efitra e!
Amboary e ny lalan'i Jehovah

Izay mibilobiloka sy feno fiolanana
Izay miolakolana sy betsaka sampanana
Ataovy mahitsy e! ataovy mahitsy e/

Ny tendrombohitra avo be
E! ndao haetry e!
Ny lohasaha lalim-be
ndeha totofy vetivety e!
Mba ho lalany, mba ho lala-mahitsy handehanan'i Jehovah.

Fa ho avy Izy e!
Ho avy Izy e! ho avy Izy e!
Ho avy amin'ny voninahitra sy ny fanjakany Izy e!
Ho avy amin'ny voninahitra sy ny fitsarany Izy e!
Ny maso rehetra hahita azy e!
Na mino ianao na tsy mino azy e!

Ny fonao e!
Ny fonao mihitsy anie no mila fanamboarana
Fa misy havoana avo be izay sarotra hiakarana
Misy hady lalina izay tsy hay hitsambikinana
Mbola misy hantsana izay tsy afaka hidinana

Ny fonao e!
Ny fonao mihitsy anie no lalana resahana
Fa mbola misy efitra sy rindrina mibahana
Mbola te hivilivily te hisampatsampana
Mbola misy takona sy fefy be manakana

Ny fonao e!
Amboary ho lalana handehanan'i Jehovah!
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Ny ANTSAN'NY FAMONJENA
Vangy : 579
Mpankafy : 1 Ankafizo
Nampiditra : nyantsanfa
Daty : 01/06/2021 17:03
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.3169