You are here: home > Tononkira > Ndriana Ramamonjy

Moa ve vita fihavanana (Ndriana Ramamonjy)

Moa ve vita fihavanana
Amin'Andriamanitra ianao
Moa ve efa nibebahanao
Tamin'ny fonao ve ireo otanao.

Manatona an'Andriamanitra
Dia hanatona anao Izy
Ka aoka tsy hisalasala intsony
Satria tianao Jesosy.

Ela no niandrasan'i Jeso
Teo ambaravaran'ny fonao
Ndrao ity no antso farany
Ka valio Izy sao ho very ianao. (x2)Tsiky dia ampy

Ny osa sy ny tsy mino anie
Manana ny anjara ratsiny
Koa raha menatra ny Tompo ianao
Izy koa sao ho menatra anao.

Tsy ny Tompo no haninona
Raha manda ny hovonjena ianao
Fa ianao no hitomany, ianao ihany
No hijaly mandrakizay.

Ela no niandrasan'i Jeso
Teo ambaravaran'ny fonao
Ndrao ity no antso farany
Ka valio Izy sao ho very ianao. (x2)

Mpihira : Ndriana Ramamonjy
Mpamaky : 331
Mpakafy : 0 Ankafizo
Nampidirin'i : Jantina
Tamin'ny : 22/04/2021 20:44:42
ID : 13443

Tondrom-peo

Hampiditra tondrompeo