Jesoa tia (Ndriana Ramamonjy)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Jesoa tia

Jesoa tia no mampahery ahy
Fa nataony mahatoky aho
Ka notendreny ho amin'ilay fanompoana
Sy mifona ho ahy tsy ho levona finoana
Ka raha tojo fahalemena aho
Tsy hiondrika na hitalaho
Fa mihoatra lavitra tokoa noho ireny
Ny fahasoavana izay nomeny.

Fa nodioviny ny fahotana
Fanavaozana izay nigagana
No nandrakofany ny fiainako efa lasa
Noho ny ràny, ny otako voasasa
Ny fanompoana izay nataoko hatramin'izay
Ho voninahiny mandrakizay.

Izy no manome fiainana ho ahy
Ka tsy ho very aho mandrakizay
Tsy hisy haharombaka ahy fa eo an-tanany aho
Izy koa no velona ao anatiko ao
Novonjena mba ho masina aho
Tsy hanan-tsiny, olom-baovao
Nantsoina koa mba hanam-piainam-pandresena
Izay no atao hoe famonjena.
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Ndriana Ramamonjy
Vangy : 630
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : nalliravahatriniarivo
Daty : 27/06/2022 15:08
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.6316