You are here: home > Tononkira > Ndriana Ramamonjy

Fiainana mandrakizay (Ndriana Ramamonjy)

1- Na manjombona ny andro androany
Fantatro fa any ambadika any
Misy ilay masoandro izay tsy mba mamitaka
Andraoka ny aizina sy ahiahy
Hitondra hafanana sy hazavana
Hanoro ahy izay lalana ombana
Na hilentika aza io
Inoako fa mbola hiposaka io masoandro io

FIV: Raha mbola eto an-tany dia tsy maintsy hisento aho
Tsaroko anefa ilay masoandroko ao
HitoTsiky dia ampyndra hafanana sy hazavana
Hanoro ahy zay làlana ombana
Na hilentika aza io
Inoako fa mbola hiposaka io masoandro io

2- Na manjombona ny andro androany
Fantatro fa indray andro any
Tsy masoandro intsony no ho fanazavana ho ahy
Fa Ilay voninahitry ny Ray
Tsy hilentika intsony izy izay
Fa haharitra mandrakizay
Ka ny hafanana sy hazavana izay hatolony ahy
Dia FIAINANA MANDRAKIZAY

Mpihira : Ndriana Ramamonjy
Mpamaky : 121
Mpakafy : 0 Ankafizo
Nampidirin'i : hery
Tamin'ny : 13/07/2021 16:38:37
ID : 13558

Tondrom-peo

Hampiditra tondrompeo