You are here: home > Tononkira > MR Razafy

Mpandalo (MR Razafy)

Vao niserana teo anoloako
Ny bika sy ny endrika
Tsapako fa tena tsaroako
Ny fitia, te ho any aminao


Ref: ♂Ry mpandalo miserana ihany
♀Andraso e! Anaraka anao
♂Fa ny saina tsy mety miandany
♂NyTsiky dia ampy mitoetra tsy ahita anao


Vao nidify ny masoko indray
Ny tsiky sy ny angolanao
Tsaroako fa tena iray
Ny fitia miantefa aminao


(Refrain)


Voatahiriko mandrakizay
Ilay fihetsika navelanao
Hirariko ny mba hifandray
Izao vetso miampita aminao

Mpihira : MR Razafy
Mpamaky : 2736
Mpakafy : 0 Ankafizo
Nampidirin'i :
Tamin'ny : 06/08/2003 13:22:03
ID : 1854

Tondrom-peo

Hampiditra tondrompeo