You are here: home > Tononkira > MR Razafy

Mariazy (MR Razafy)

`Zao no andro hafa indrindra
eo amin’ny fiainantsika
fa hiaraka hamindra
ho doria ny fontsika


Ref: Mariazy andro tokana aman-tany
Hoy ny akon’ny fo tafatambatra
Andro iray tsy ho adinoina tena mamy
No hiarahana ho doria
Ho samTsiky dia ampybatra


Saotra dera ho an’ilay Nahary
Nanambatra antsika ho mandrakizay
Faly isika izao fa tafaray
Ary hamerin’indray irony voady fahizay


Sambatra izay fo mifankatia
Saro-bahana mafy fatorana
Hiventy sy hikalo hanako satria
Nandresy ilay fitia nifanolorana

Mpihira : MR Razafy
Mpamaky : 16791
Mpakafy : 1 Ankafizo
Nampidirin'i :
Tamin'ny : 06/08/2003 13:20:34
ID : 1850

Henoina (sombiny)

Sombiny ihany aloha no henonao eto fa azonao alahatra ao amin'ny RadioVazoGasy

Alaharo ao amin'ny RadioVazoGasy

Tondrom-peo

Hampiditra tondrompeo