Eo anilanao no tiako (KTLM Tsanta Fitoriana Ambohimena)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Tsapako tokoa fa mpanota aho ry Ray o
Tsy mendrika ny antsoina ho zanakao
Ny heloko izay vitako taminao
Dia hivalozako tokoa
Ny fanantenana ato anatiko
Dia ho voasasanao ho voadio
Na mena toy ny jaky aza ny otanareo
Dia ho fotsiako toy ny oram-panala

Ka misaotra anao ry Ray o fa efa notiavinao
Eny na tsy mendrika aza miantso ny anaranao
Ray o miantso anao zahay, ny andro sisa ety iriko
ho anao mandrakizay fa eo anilanao no tiako

Ny fiainako rehetra ankiniko aminao
Honerako indray reo lasa taloha
Vonona aho hanoa ny antsonao
Manolotena aho ka iraho
Ho mpiasa tsara matoky anao indrindra
No toetra mba hiriko ao anatiko ao
Ho lovako izay sarobidy indrindra
Ho satro-boninahitro
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : KTLM Tsanta Fitoriana Ambohimena
Vangy : 372
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : daryprod
Daty : 22/03/2022 14:14
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1866