Antso (KTLM Tsanta Fitoriana Ambohimena)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Ts'isy fiadanana sy fahasambarana
Ho an'ny ratsy fanahy
Amin'ny androm-piainany
Izay rehetra alehany, na izay mba saininy
Feno haratsiana
Ts'isy fiadanam-po

Ry namako ô, ambarako anao
Ny antson'i Tompo anio
F'izy irery ihany no afaka hampiadana ny fona
Dia ho lavitra tokoa, ireo sorisorinao
Ho paradisa vaovao ny fiainanao

Raha mbola mankasitraka ota foana ianao, ety
Na mijoro ho fahavalon'ireo sakaiza tia
Tsy ho azonao ilay fahasambarana
Izay nomeny,
Anio, miantso anao Jesoa

Indro ho avy ny andro hoy Jehovah Tompo
Izay hatraran'ny mpiasa tany ny mpijinja

Ho lavinao ve, ilay antson'i Jesoa miangavy isanandro

Tsy sitrany ny hahavery anao
Ka hitaraina hikikiana hiantsoantso hoe : vonjeo

Ts'isy fiadanana sy fahasambarana
Ho an'ny ratsy fanahy
Amin'ny androm-piainany
Izay rehetra alehany, na izay mba saininy
Feno haratsiana
Ts'isy fiadanam-po
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : KTLM Tsanta Fitoriana Ambohimena
Vangy : 1390
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : daryprod
Daty : 10/08/2017 14:47
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 1.0095